MISY FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO AO MANAMBATO

Tsy manam-pahataperana ny resaka fitrandrahana sy fanondranana andramena. Mety tsy mahita afa-tsy ny amban'ny masony ireo tompon'andraikim-panjakana matoa tsy mahalala vaovao hafa ankoatra ny efa fantany.

Tompon-tanàna avy lavitra no mitantara ny zava-misy ao amin'ny toerana misy azy. Araka ny filazany dia vatan-kazo maro be efa mahafeno « containers » miisa roapolo any ho any no hita ao Manambato Manatenina, tanàna eo anelanelan’i Vangaidrano sy Tolagnaro. Azo lazaina ho tany lavitr'andriana izany tanàna izany ka manjaka ny gaboraraka satria tsy misy mahita ny atao rehetra. Efa manombola tsikelikely araka izany ny fitaterana ireo hazo sarobidy ary ny mahavariana dia ny mahita ireo hazo vao avy nokapaina ka amidy Ar 15 000 ny bolabola iray. Mbola manjaka hatrany ny varo-maizina sy an-tsokosoko satria matoa misy ny mpivarotra dia mampanantena vola ny mpividy. Tsy fantatra kosa hatreto ny tompon'ireo andramena ireo fa ny hita dia ny fivezivezen'ny hazo an-kalalahana ary tsy misy mpahafantatra afa-tsy ny mponina sy ny mpitrandraka. Arakaraka ny idradradradrana ny tsy fahazoana mitrandraka ny andramena no toa vao mainka mampiroborobo ny fikapana sy ny famarotana azy.

Farah

1 vote. Moyenne 5.00 sur 5.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site