ADIAM-BALALA TETO AN-DRENIVOHITRA

 

Hatairana, horakoraka, kiakiaka no re teto an-drenivohitra. Fa nisy inona ? Samy nijery niakatra avokoa ny olona rehetra. Tsy inona akory fa adiam-balala  marobe mamaikavika ny renivohitra no anton’izany rehetra izany.

Androany Alakamisy 28 Aogositra  2014, no nitran’izany, tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro mahery kely teo. Haingana dia haingana ny fandehan’ireo adiam-balala  ka vetivety dia rakotra ny habakabaka.

Naharitra ora iray latsaka kely teo no fotoana nandalovan’ireto andiam-balala maro dia maro ireto teo an-drenivohitra ary nahetrinay maso mihitsy izany.  Rakotra valala tanteraka ny manodidina rehetra, ny andrin-jiro sy ny tariby, ny tafon-trano, ny tokontany sy ny hazo maniry.

Maro ny nisambotra ireo valala, na lehibe na kely, asa atao sakafo angamba? Tao kosa no variana fotsiny nijery fa sambany tokoa no nahitana izany adiam-balala mamaikaviky ny renivohitra izany.

Fa tokony hitandrina ihany ny mponina amin’ny fihinana ireny valala ireny. Tsy fantatra mantsy fa sao dia efa misy fanafody izy ireny ka hisy fiantraikany any amin’ny fahasalamana, ka ny sakafo tokony hamelona indray no hamono.

Fa ahoana ihany ny fipetraky ny ady ataon’ny fanjakana amin’ny famongorana ny valala eto Madagasikara e ?  Efa an-taonany maro no niadian’I Madagasikara tamin’ny valala kanefa toa vola very maina fotsiny ny vola natokana hanaovana izany fa tsy misy vokany akory

Mandrapahoviana ary no ho fongana tanteraka ny fisian”ny valala eto Madagasikara ?  

Ireto asehonay amin’ny sary ireto ny  sationan’ny fandalovan’ny valala teo an-drenivoitra androany 28 Aogositra.

Soratra : Nanouh

Sary : Mirana

 

Sauterelle 4

Rakotra tanteraka ny habakabaka

Sauterelle 5

Torak'izany koa ny tafon-trano sy ny manodidina

Sauterelles 1

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×