Valérie Trierweiler : Mandika lalàna eto Madagasikara

Tonga eto an-tanindrazana soa aman-tsara ilay mpanao gazety frantsay Valérie Trierweiler. Efa mitety farutra eto an-toerana kanefa ny fomba nahatongavana teto dia azo lazaina ho tsy manara-dalàna ihany satria niala an-tsokosoko tany Frantsa, tsy nanana fahazoan-dalana hiditra eto. Satria ve Frantsay dia ekena avokoa izay sitrapony? Sa tsy mahay teny frantsay ny Malagasy dia manao "oui madame" fotsiny?

Aiza ho aiza ny fandraisan'andraikitry ny polisy miaro ny sisin-tany amin'izany? Moa ve ny Malagasy afaka manao izany ka maka "visa sur place" rehefa tonga any La Réunion na any Frantsa? Sao dia efa sangy mihoatra ny loha kosa? Fanambaniana sy fanaovana tsinontsinona ny vahoaka sy ny firenena ary ny mpitondra malagasy izany fihesika izany. Tsy rehefa hoe fotsy hoditra akory dia andriamanitra avokoa ka atahorana sy hananana henamaso. Tokony natao toy ny olon-drehetra tsy manana fahazoan-dalana io ramatoa io ka noroahana avy hatrany fa tsy navela niditra teto. Mila mailo ny rehetra fa raha iray no tafiditra, ho avy tsy ho ela ny vahiny sasany hanao amboletra tsotra izao ka hiditra, honina sy haka vady ireo teratany malagasy marivo salosana sy azo fetsena.

Jasmine

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×