Hiverina hiodina indray ny MBS

 

Mbs logo 1

 

 

“Hiverina hiodina tsy hoe ela ny orinasa MBS na Malagasy Broadcasting System”. Izany no anisan’ny zava-dehibe nanaitra ny sain’ny maro ary nivoitra tamin’ny fihaonana nataon’ireo tompon’andraik’ity orinasa ity tamin’ny mpanao gazety, teny Faravohitra, omaly Alakamisy 11 Septambra 2014.

Fangatahan’ny mpiasa

Izao famoahana indray ny orinasa MBS izao no natao dia noho ny fangatahan’ny ankamaroan’ireo mpiasa izay mbola tsy an’asa hatramin’izao. Nanapa-kevitra, araka izany, ireo mpiara-miombon’antoka eo anivon’ity orinasa ity, fa tonga izao ny fotoana hanodinana indray ny MBS. Tamin’ny alalan’ny fivoriana tsy ara-potoana izay natao ny 31 Jolay 2014 lasa teo no nanapahan’izy ireo izany.

Orinasa hiasa an-kalalahana

Ny tanjona dia mba ho afaka hiodina an-kalalahana ny orinasa mba ho fanajana ny zon’ny tsirairay hiasa ary koa ho fanajana ny zon’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka hahazo vaovao. Tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny fanajana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto amin’ny firenena.

Efa tafapetraka ny antotan-taratasy

Amin’izao fotoana dia efa tafapetraka eny anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ireo andrim-panjakana isan-tsokajiny ny antontan-taratasy mampahafantatra izany fiverenan’ny orinasa MBS hiasa izany indray. Mbola mitohy ihany koa ankehitriny ny fifampiraharahana eny anivon’ny Ministera.

Tsy nisy didim-pitsarana nanakatona

Tsara ny manamarika fa raha nikatona ny orinasa tamin’ny taona 2009 dia tsy nisy didim-pitsarana na fepetra ara-panjakana nampitsahatra ny asan’ny MBS, hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny toe-draharaha nisy teto an-toerana no nampitsaharana na “mise en veille”, ity orinasa ity tamin’izany fotoana izany. Marihina fa maherin’ny 300 ny isan’ny mpiasa teo anivon’ny MBS talohan’ny taona 2009

                                                                                                                       

                                                                                                                                               Soratra : Nanouh

                                                                                              Sary : Fidy

 

 

Conf press mbs 1

 

Ralaivaohita Joël (afovoany), Taleny famoahan'ny MBS

Conf press 2

 

Joel dir pub mbs

Nifanaretsaka ny mpanao gazety samy te-hahazo vaovao

 

1 vote. Moyenne 5.00 sur 5.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×