TONGA AN-TANINDRAZANA NY FILOHA RAVALOMANANA MARC

 

VOASAMBOTRA SAHADY ANEFA NY TENANY ORA MAROMARO TAORIAN’NY

FAHATONGAVANY

 

Araka ny fampanantenainy efa ela dia tonga eto an-tanindrazana ihany tokoa ny Filoha Ravalomanana Marc, ny Alatsinainy 13 Oktobra 2014, maraina be.  Tsy niandry ela fa ny alatsinainy maraina 13 Oktobra io ihany dia tomefy olona teny Faravohitra manoloana ny trano fonenan’ny Filoha Ravalomanana Marc, samy te-hifanatri-tava aminy indray. Horakoram-pifaliana no nandraisan’ireo olona tonga marobe teny Faravohitra ny fahatongavan’ny filoha Ravalomanana.

Fihaonana tamin’ny mpiara-dia taminy

Tokony ho tamin’ny 9 ora mahery kely teo dia niditra ny trano fonenany ny Filoha. Hafaliana tsy hay lazaina no nandraisan’ny vahoaka marobe azy teny an-toerana. Nisy ny fihaonana fohy nifanaovany tamin’ireo olona mpiara-dia taminy ary nanambarany fa tsy tonga hitondra korontana ny tenany fa tonga kosa hitondra fampandrosoana ho an’I Madagasikara sy ny vahoaka. Nanentana ny vahoaka Malagasy ihany koa ny filoha mba tsy hanao fiantsiana ady (provocation) fa mba samy ho tony.  Tao anatin’izany fihaonana fohy nifanaovany tamin’ireo mpiara-dia taminy ireo ihany koa no nilazany fa vonona ny tenany hamerina ny hasin’ny maha-Malagasy sy ny fananan’ny Malagasy.

Fihaonana  tamin’ny mpanao gazety

Taorian’izay, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro,  dia nisy ny fihaonan’ny Filoha Ravalomanana Marc, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra ihany.  Mpanao gazety marobe no tonga teny an-toerana samy te-hahazo vaovao.  Nanambara ny Filoha Ravalomanana fa hanaja ny hasina maha-Malagasy ary hampanjaka ny demokrasia eto Madagasikara .  Mitaky ny fiaraha-mientan”ny tsirairay  ary koa  fahaizana manaraka ny lalana sy ny fepetra  anefa ny hahavitan’izany, hoy ihany ny Filoha Ravalomanana Marc.  Nanontrona ny Filoha tamin’ireo fotoana ireo ny vady aman-janaky ny Filoha, niaraka tamin’ny sasantsany tamin’ireo mpiara-dia taminy hatry ny ela, toa an-dRakotoarivelo Mamy, Rakotonirina Manandafy sy Ramalason Olga sy olo-manan-kaja maro tsy voatanisa.

Voasambotra sahady ny Filoha Ravalomanana

Tokony ho tamin’ny 2 ora latsaka fahefany tany ho any anefa, dia tonga teny amin’ny trano fonenan’ny Filoha Ravalomanana Marc sy ny fianakaviany eny Faravohitra, ny Emmo reg. Fiara tsy mataho-dalana miisa 6 teo ho eo, misy soratra Emmo sécurité no tonga nisambotra ny Filoha Ravalomanana Marc tamin’io ora io.  Olona misaro-tava no tonga nisambotra ny Filoha tao an-tranony, asa inona no anton’ny hisaronana tava ? Matahotra ny zavatra natao angaha ?

Eny amin’ny Toby Ratsimandrava

Rehefa azon’izy ireo ny Filoha Ravalomanana dia nentin’izy ireo. Amin’izao ora hanoratanay izao, amin’ny 4 ora izao dia fantatra fa eny amin’ny Toby Ratsimandrava, Andrefan’Ambohijanahary, no misy ny Filoha Ravalomanana.  Voalaza fa hapetraka amin’ny toerana manokana  voaambina  izy aorian’ny fakana am-bavany azy any amin’ny Toby.  Tsy fantatra moa na tena izay tokoa no ataon’ireto mpitandro filaminana ireto na zavatra hafa ! Miandry ny tohin’izao fisamborana ny Filoha izao daholo ny vahoaka Malagasy.

Misy mikotrika zavatra

Araka ny vaovao fantatra dia efa misy antokon’olona mikotrika zavatra hafa, fanakorontanana, hanoherana ny fahatongavan’ny Filoha Ravalomanana  eto an-tanindrazana  izao.

Iraka manokana teny an-toerana : soratra : Nanouh - Sary : Fidy

                                                                                                                               

 

Arrivee de ravaolmanana 1

 

Tamin'ny fotoana nigadonan'ny Filoha Ravalomanana Marc teny Faravohitra

 

Arrivee 3

 

Saika tsy nisy nandehanan'ilay fiara fa samy te-hahita tava ny Filoha indray

 

Faravohitra 13 ot 1

 

Horakoram-pfaliana no nandraisan'ireo olona marobe ny  Filoha Ravalomanana teny Faravohitra

 

 

Fihaonana tamin ny vahoaka 2

Mialoha ny nanaovan'ny Filoha ny kabariny

 

Fihaonana tamin ny vahoaka 3

Ny Filoha Ravalomanana telo mianaka 

 

Vahoaka 3

Nisy ny fiarahana niombom-bavaka

 

Tao anatu sakoroka 2

Nananosarotra ny fakana ny sary na dia izany aza dia io hitantsika manangasanga kely io ihany ny Filoha Ravalomanana

 

Conf press 3

Nandritra ny fihaonan'ny Filoha Ravalomanana tamin'ny mpanao gazety

 

Conf press 4

Samy te-hahazo vaovao ka dia nifandrombaka teny aloha ny mpanao gazety

 

1 vote. Moyenne 5.00 sur 5.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site