ZANDARY 240 NO MIATRIKA FIOFANANA ENY IVATO MANDRITRA NY IRAY VOLANA

Ho fanatsarana ny traikefa sy fampitomboana ny fahaiza-manao hoenti-miatrika ny ady amin’ny asan-jiolahy mitam-piadiana An-tanan-dehibe sy ny asan-dahalo any ambanivohitra ary ho fitandroana ny filaminam-bahoaka dia nandray fanapahan-kevitra ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena nanomboka ny taona 2009 ka nampidirina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ireo Zandary amperin’asa miofana ho «officier de police judiciaire» any amin’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimariam-pirenena Moramanga ny fanamafisana sy fiofanana maha-miaramila sy maha-zandary izay atao etsy amin’ny «Commandement des Formations Spécialisées» na CFS Ivato.Araka izany, dia zandary miisa 240 avy ao amin’ny andiany faha-52 na 52 em BP1 ( Brevet Professionnel de 1er degré), no miofana eny Ivato mandritra ny iray volana.

Ny fiofanana ara-miaramila, «topographie», «combat», «Maintien de l’Ordre na MO», Ecole d’intervention Professionnelle na EIP ary haiady, no homena ireto zandary ireto.Marihina fa enim-bolana no faharetan’ny fiofanana any amin’ny sekoly ambony any Moramanga. Efa vita ny efa-bolana mahery ary izao tohizana eny CFS Ivato izao ny ambiny.  Efa nisy ihany koa moa ny fanomezana galona “Gendarme Principal de 2eme classa na GP2” an’ireto zandary  ireto ny 22 jolay 2011 lasa teo, nandritra ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy azy ireo tany Moramanga.Tsar any manamarika fa ireo Zandary manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra manam-pahaizana manokana miasa ao amin’ny CFS Ivato no manofana azy iret, araka ny fanazavana nentin’ny kolonely RAKOTOMAHANINA Florens, komandin’ny vondron-toby misahana andraikitra manokana na CFS.

Nanouh

 

 

Vonona ireo mpiofana ho fanamafisana ny fahaiza-manao. (Sary : ZP)

 

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×