VOALAZA FA NATAO HAKANA TAOVA IREO VOASAMBOTRA

 

Vao tsy ela akory izay fa ny volana  Jolay lasa teo no nanoratany lahatsoratra mikasika ny halatr’olona izay mampisahotaka ireo mponina any amin’iny Faritra Anjozorobe sy ny manodidina iny. Amin’izao fotoana dia voalaza fa voasokajy ao anatin’ny Faritra mena tanteraka ny ao Anjozorobe sy ireo tanana manodidina azy.

Araka  ny vaovao maripototra voarainay dia miaina tanteraka ao anatin’ny tebitebiteby sy ny tahotra  ny mponina ao an-tampon-tanan’Anjozobe sy ny manodidina amin’ny afitsok’ireo mpangalatr’olona any an-toerana ireo.  Raha vao manomboka maizimaizina ny andro dia tsy misy sahy mivoaka ny trano intsony ny mponina ao ao an-tanana. Mangina tanteraka, araka izany, ny tanana tsy toy ilay  Anjozorobe fahita tany aloha intsony.

Voalaza fa tovolahy efatra, mponina ao an-tanana ihany izay  mandeha amin’ny ‘scooter’ indray amin’izao fotoana no misambotra izay olona sendra azy ireo.  Ny sasany amin’izy ireo aza dia milanja masolavitra mihitsy hitiliana izay olona lavitra. Efa  fantary ny mponina ihany ireo tovolahy ireo ary efa voasambotry ny fokonolona aza ny iray tamin’izy ireo kanefa dia votsotra.  Araka ny fitantaran’ity mponina iray tafaresaka taminay, dia nafatotry ny fokonolona ity tovolahy ity ary natolotra ny zandary.  Nony  hitondra azy anefa ny Zandary dia niteny ity tovolahy ity hoe « aleo aloha hiantso ny deba …”. Nentin’ny Zandary izy io kanefa andro vitsy fotsiny taorian’io  dia indro fa hitan’ny olona teo an-tanana nivezivezy teny indray. Araka ny voalazan’ireo fokonolona dia notambazan’ilay nantsoina hoe “deba” , vola  3 tapitrisa Ariary ireo mpitandro filaminana ka namotsitra ity tovolahy ity.

Araka ny feo mandeha any an-toerana dia voalaza fa misy tambazotra matanjaka  dia matanjaka tokoa eny amin’ny faritry ny 67 HA eny izay  hanaterana sy mandray ireo olona voasambotra. Ny vaovao azonay ihany dia toa hoe natao HAKANA TAOVA hono ny antony hisamborana  ireo olona ireo.  Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra misahana izany  akaiky ny  fisian’io tambazotra manakarama olona hisambotra olona hakana taova io.

Very fanahy mbola velona, araka izany, ireo mponina ao Anjozorobe sy ny manodidina satria dia tsy hitan’izy ireo  intsony izay hianteherana sy hamonjy,  satria dia ireo mpitandro filaminana natao hiaro ny vahoaka indray no miray tendro sy tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy. 

Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitry ny filaminana sy ny fanjakana ireo mponina ao Anjozorobe sy ny manodidina mba hijery akaiky izany toe-javatra mampalahelo izany any an-toerana fa mijaly izy ireo ary hanafay ihany koa ireo mpitandro filaminana  izay miray petsapetsa amin’ny mpanao ratsy noho ny fitiavam-bola.

Nanouh

 

1 vote. Moyenne 5.00 sur 5.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site