Tsy mahatanty fifaninana hoe ny STAR ?

Maro ny orinasa sy olon-tsotra manao "yaourt" sy "fromage" ankehitriny kanefa tsy misy mifanenjika fa raha ny labiera kosa no tantaraina dia azo lazaina ho tsy malalaka ny fifaninana ara-barotra eto amin'ny tanàna. Mankarary ny orinasa STAR ny mahita ny tavohangy SKOL mirantiranty eny amin'ny mpivarotra. Maso mahita io ary ny mpivarotra sy mpanjifa koa mitantara ny zava-mitranga.

Raha sendra mandeha ami'ny fivarotana iray, hono, ny mpiasan'ny STAR ka mahita labiera SKOL, avy hatrany dia soloina haingana ny fitoerany ka raha misy kesika SKOL roa eo dia kesika STAR efatra be izao no asolo azy. Mipetraka ny fanontaniana hoe fa nahoana loatra no tsy avela hivarotra ny olona ? Ekena fa efa ela ny orinasa STAR no namokatra ity rano mandroatra ity fa tsy antony tokony hibahanany ny tsena ho azy samy irery izany. Mety hanimba ny tsena ve ny fisian'ny vokatra hafa ? Tsy vao mainka aza ve hahafahana manatsara ny eo am-pelatanana ny fahalalahan'ny fifaninanana ? Samy manana ny safidiny ihany koa ny mpanjifa. Sao mba nisy fifanarahana hafahafa koa tany ambadika tany ?

Nangonin'i Farah

1 vote. Moyenne 2.00 sur 5.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site