Tsy mahafehy "Sprinter" ve ny mpamily malagasy ?

Nihabetsaka ny lozam-pifamoivoizana nandritra izay telo volana lasa izay. Tsy ny fitateram-bahoaka an-drenivohitra ihany fa itrangana loza ihany koa ireo lalam-pirenena samihafa.

Tsikaritra ankehitriny fa mitombo ireo mpikambana anaty koperativa izay mampiasa ireny fiara "Sprinter" ireny. Ekena fa tena matanjaka tokoa ny "Sprinter" fa lasa ihany ny saina manontany hoe "Sao mba tsy voafehin'ny mpamily malagasy ny Sprinter" ? Efa nisy tranga roa herinandro lasa izay. Fiara mpitatitra amin'iny Atsimondrano iny no nirimorimo miakatra an'i Malaza sy midina an'Andafiavaratra. Tsy nitsahatra niteny ny mpamily ireo mpandeha saingy toa lasa antso any an'efitra ilay taraina. Namaly mora ny mpanampy ny mpamily hoe "Sprinter itony. Matanjaka be ka tsy mety raha mandeha mora aminy. Izany izao no malaza. Raha tsy mahatanty, aleo midina eo amin'ny fiantsonana manaraka".

Hevitra ihany no hasosoka ankehitriny momba ity fiara matanjaka ity. Tsaratsara angamba ny manokana ireny "Sprinter" ireny ho an'ny zotra nasionaly sy rezionaly hanomezana fahafaham-po ireo mpandeha hamonjy ny faritra satria migodana ny lalam-pirenena. Mila mionona amin'ny "Mazda", "Toyota", "Kia", Hyunday" sy ireo "307" mbamin'ny "J5" sy ny namany kosa ny fitaterana an-drenivohitra satria voalaza rahateo araka ny fitsipika fa voafetra ho 40 km isan'ora ny hafainganam-pandeha. Ankoatra izay, mitombo isa koa ireo mpanampy ny mpamily mahazo fisondrotana na "promotion" ka lasa mpamily. Vantany vao azo ny fahazoan-dalana hitondra fiara dia manitsaka mafy ery ary miseho ho mahay toy ireny efa namily nandritra ny 20 taona ireny. Filazana ny zava-misy fotsiny ihany izany fa tsy fanankianana velively. Anjaran'ny tompom-piara sy ny mpamily efa za-draharaha no manoro ireo zandry vao tafakatra mba hisorohana ny loza mety hitranga satria milina ihany iny entina iny. Mateteika mantsy raha sendra mitaraina ireo mpandeha noho ny fandehanana mafy dia teny an'avona sy valy boraingina no azony ; kanefa rehefa tonga ny loza, miala maina ny mpamily sy ny mpanampy azy. Ain'olona anie no taterina fa tsy vato aman-kazo e!

Farah

 

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site