Tandremo ny piraty miantso amin’ny finday

Mivoatra ny teknolojia ary mivoatra manaraka izay ihany koa ny fisainan’ny olona. Maro ireo miketrika hanimba fiaraha-monina sy tia kely ka ny hafa no ampijaliana.Malaza indray izao ny resaka piraty amin’ny finday. Ny fahana anaty kaontinao hono no tena ilain’ireo piraty.Misy olona miantso anao ka milaza fa injeniera ary miangavy anao hanapotsitra ny # 90 na # 09 na isa hafa. Tapaho haingana izany antso mampiahiahy izany. Raha manaraka izay lazainy mantsy ianao dia mora ho azy ny miditra amin’ny SIM-nao. Raha toa ihany koa ka misy soratra eo amin’ny findainao hoe (XALAN) dia aza raisina akory. Manaparitaka viriosy mahery vaika ireo piraty ka raha tratra ny findainao dia afoizo fa tsy ilaina intsony. Efa mahatratra telo tapitrisa ireo olona tratra manerana izao tontolo izao araka ny filazan’ny Motorola sy Nokia. Mila malina tanteraka izany rehefa mampiasa itony fitaovam-pifandraisana itony. Fadio ny mandray antso tsy misy laharana ary e !

Farah

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site