Tandremo ny dokotera tenany

Aza mandrimandry manana aretina hoy ny fitenana. Resaka sendra anaty fiara fitateram-bahoaka no nanaitra. Nisy raim-pianakaviana miampofo ny zanany an-tanana izay feno mibontsimbontsina. Lasa ny ady hevitra ka ao ireo manoso-kevitra fa tsy ilaina ny mandeha any amin'ny dokotera fa mandany vola hono izany. ao ireo miteny fa mandro amin'ny ravin-kazo dia miala daholo ireo ratra amin'ny vatana. Samy niseho ho mahita vahaolana ny rehetra.

Nanambara kosa anefa ny mpitsabo iray izay tafara-dalana taminay fa tsy misy hoatry ny mandeha any amin'ny dokotera rehefa misy manjo satria any ihany no hiafarana. "Raha mba fantatry ny olona ny vola laniny mivezivezy mandeha mijery renin-jaza, mpanotra, mpahay zavatra sy mihinankinana itony fanampin-tsakafo tsy fantam-piavina itony dia henina izy aoriana kely ao ka hibaboka fa aleo ihany mamonjy toeram-pitsaboana ara-dalàna", hoy ity mpitsabo. Nitantara ity farany fa efa nisy olona voan'ny raboka efa hatramin'ny ela. Potika ny havokavoka ilany an'ilay marary izay efa nandany vola mitentina Ar 600 000 tamin'ny fividianana ireny zavatra vita avy any ivelany ireny. Toa hoe mahasitrana hono kanefa vao mainka nampihombo ny aretina. Rehefa voaray an-tanana soa aman-tsara ity marary ity dia nivoady fa tsy hisotro na hifoka ary vonona hitandrina ireo fepetra rehetra nolazain'ny mpitsabo. Azo atao tsara araka izany ny miaina miaraka amin'ny havokavoka tokana saingy tsy manana hery toy ny to aloha intsony. Aza voany ihany hoy ny olona fa rehefa misy ny manahirana aleo mandeha amin'ny olona azo antoka. Ny matin-kihitra ihany mantsy no ho lany be.

Farah

 

 

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×