TAFATSANGANA NY TAMBAZOTRAN’NY MPANAO GAZETY NAMAN’NY ANKIZY

 

Araka ny antontan’isa nivoaka tamin’ity taona 2011 ity dia eo amin’ny 43,1%-n’ny mponina eto Madagasikara dia zaza sy tanora  latsaky ny 15 taona avokoa.  Amin’ny ankapobeny anefa dia mahalana no mba ahitana lahatsoratra mikasika ireo sokajin-taona ireo eo amin’ny lohateny lehibe eo amin’ny pejy voalohany amin’ireo gazety maro mivoaka isan’andro eto Madagasikara..  Manoloana izany zava-misy izany indrindra dia nanokana andro iray nihaonana sy nifampidinihana tamin’ny mpanao gazety maro sy ry zareo avy ao amin’ny fiaraha-monim-pirenena,  ny tompon’andraikitra ao amin’ny Unicef mba hiresahana sy hiadiana hevitra ary hitadiavana vahaolana mikasika  ny famokarana vaovao momba ny ankizy. Teny amin’ny foiben-toeran’ny Unicef  eny Andraharo no nanatanterahana izany ny Alakamisy 11 Aogositra teo.

Niainga tamin’ny fijerena ireo lohateny lehibe nivoaka an-gazety ny dinidinika. Gazety roa, mivoaka isan’andro, no nisintonana ireo lohateny lehibe mivoaka amin’ny pejy voalohany na “La Une”, tao anatin’ny volana Jona  sy Jolay.

Tamin’ny ankapobeny  dia ireo lohateny momba ny  POLITIKA  hatrany no tena nahazo vahana sy nomena lanja manokana hatrany.. Hita tamin’izany fa ny  80%-n’ireo lohanteny lehibe dia niompana tamin’ny POLITIKA avokoa. Ny 20% dia mikasika ny FIARAHA-MONINA sy ireo TRANGA ISAN-KARAZANY  TETSY SY TEROA na Faits Divers (FD). O% kosa ny lohateny momba ny ANKIZY. Tsy nisy lohateny lehibe momba ny ankizy mihitsy na iray aza raha tsy lahatsoratra FD mahakasika ankizy  ary mora handafosana gazety. Tsapa fa adino matetika ny tombontsoa ho an’ny ankizy fa ny lohateny Politika sy ireo vaovao manaitaitra ( herisetra, fanolanana zaza,..), no asongadina mba handafosana gazety betsaka.

Araka izany, dia nanapakevitra ny mpanao gazety sy ny fiarahamonim-pirenena, avy amin’ny alalan’ny Unicef  fa hampitovy ny tadin-dokangany  ary hiara-hiasa mba ho tombontsoa ho  an’ny ankizy. Natsangana tamin’izany ary ny tambazotra iombonanan’ny roa tonta mba hiresahana bebe kokoa momba ny ankizy,  izay antsoina hoe  “tambazotran’ny mpanao gazety naman’ny ankizy”.

Anisan’ny asa ho sahanin’io tambazotra  io  ny hanamorana ny asan’ny mpanao gazety sy hanampy azy ireo amin’ny fanomezana vaovao momba ny ankizy, vaovao  betsaka sady tsara ary marina. Hanampy ny mpanao gazety hanaraka ny lalan’ny fanoratana ihany koa ny fisian’io tambazotra io. Ankoatra izany dia afaka mikarakara fivoahana ivelany ho an’ny mpanao gazety  ihany koa ny tambazotra mba hikarohana sy hitrandrahana ny zava-misy marina mikasika ny ankizy any amin’ny toerana lavitra ary hamokarana lahatsoratra lehibe mikasika ny zavatra hita

Manana andraikitra lehibe ny mpanao gazety eo amin’ny famoahana ireny lahatsoratra ireny. Tokony hieritreritra lalandava ny mpanao gazety mialoha ny hanoratana ary hanontany tena raha misy fiantraikany amin’ilay ankizy izay voateny anatin’ny lahatsoratra ny zavatra voasorany.

Araka izany, dia tsy tokony avoaka loatra ny sary na lahatsoratra mety hanohintohina ny fiainana n any ho avin’ny ankizy iray na dia mety heverin’ny tompon’ny gazety aza fa handafosana gazety maro.  Tokony omena fahafahana malalaka kosa ny ankizy mba haneho ny heviny sy hilaza malalaka ny heviny any anatin’ireny gazety ireny na ao amin’ny fahitalavitra sy ny radio. Tsy tokony hisy fanambazana vola na zavatra hafa ho setriny anefa izany.

Nanouh

 

 

 

Ampahany tamin'ireo mpanao gazety sy  ny fiarahamonim-pirenena nandray anjara tamin'ny fihaonana.

(Sary : Nanouh)

 

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×