Seminera Amboara

Tena tsy aritra intsony ! Nahatohina, nahatezitra ary tena sy azo leferina intsony. Fivoriam-bavaka no neritreretina kanefa dia fahamamoana sy tabataba no nameno tanàna. Andro natokana ho an'ny seminarista ao Amboara Ambohidratrimo ny andron'ny Tompo tamin'ny 6 mey teo. Sorona Masina lehibe izao no natao ny tapak'andro maraina kanefatsikairitra ireo tanora lahy sy vavy tao amin'ny toerana antsoina hoe « buvette » misotro, mifoka ary tena migoka. Hanairana ireo ray aman-dreny mpitarika ity taratasy ity satria raha toeram-panofanana ho pretra ny seminera dia azo antoka fa toerana masina izany. Ny trano fianarana no lasa bara fisotroana, ny tokontany feno loto vokatry ny tandrevaky ny tsirairay. Voahosihosy ny hasin'ilay toerana ary tsy tompon'ny tenany ny ankamaroan'ireo lahy sy vavy tonga teny. Nisy aza moa niafara tamin'ny ady tothondry sy ompa ny resaky ny tovolahy roa tao amin'ny « buvette ». Angamba tsy ho tsiny ny hanery ny ray aman-dreny am-panahy rehetra hanafoana ny fivarotan-toaka rehefa misy ny fivoriana masina satria na ny Fanahy Masina tokony horaisina aza manda tsy hitoetra anatin'ny tena noho ny hasosorana. Sanatria tsy entina hamelezana ny mpiray finoana katolika ny lahatsoratra fa hanairana kosa ny sain'ny tompon'andraikitra mba ho sarotiny amin'ny fiarovana ny toerana masina. Tahaka ny toeram-pivahinianana rehetra ny seminera ka rariny loatra raha apetraka amin'ny toerana misy azy fa tsy hanaovana fihetsika toa izay hita tao Sodoma sy Gomora.

 

Farah Randrianasolo

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site