POLISY MANAMBONINAHITRA EFATRA NO NAVOAKA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny Zoma 29 Jolay teo ireo manamboninahitra Polisy efatra mirahalahy izay vao nahavita ny fiofanany mikasika ny “Analyse Criminelle de Premier Niveau” na  (ARC 1),  teny amin’ny Toby Ratsimandrava. Roa herinandro ny faharetan’ny fiofanan’izy ireo izay niompanana tanteraka tamin’ny fandalinana sy fikarohana ny heloka bevava.

Samy notolorana ny mari-pahaizana “certificat d’Analyse Criminelle de Premier Niveau” (ARC 1),  amin’ny  maha-pikaroka azy ireo izy efatra mirahalahy vao nahavita ny fiofanany iretoIzao fiofanana izao dia tafiditra indrindra eo amin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Zandarimariam-Pirenena sy ny Polisim-Pirenena ary notohanan’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Zandarimaria Frantsay sy Malagasy. Tompomarika taminn’izao fiofanana izao ny “Direction de la Police Judiciaire” na (DPJ), eo anivon’ny Komandin’ny Zandarimariam-Pirenena.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ary nisolo tena ny Jeneraly Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Kolonely RANDRIAMANARINA Christophe, sy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Polisim-pirenena notarihin’ny Controleur général RAKOTONDRAVAO Albert, nisolo tena ny Talen’ny Sekolin’ny Polisim-pirenena sy ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena.

Nanouh

 

Ireo manam-boninahitra nahavita fiofanana. (Sary : ZP)

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site