OLONA 800 ISAN’ANDRO NO AMPISAKAFOAN’NY INISMA ENY ANTANIAVO

Nanomboka  ny 01 Aogositra ary haharitra eo amin’ny 29 na 30 andro eo ho eo ny iray volana masina Ramadan, izay tanterahan’ny mpino Silamo rehetra manerana ny Nosy.  Anisan’ny manamarika izany volana masina Ramadany izany koa  ry zareo mpikambana ao amin’ny INISMA na “Institut Islamique de Madagascar”, izay manana ny foiben-toerany eny Antaniavo. Nisy ny tafa naton’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Inisma tamin’ny mpampahalala vaovao teny amin’ny foiben-toerany ny Alatsinainy 01 Aogositra.

Fantatra tamin’izany  fa ao anatin’ity volana masina Ramadany ity dia maro ny asa soa entin’ny fikambanana Inisma hanamarihana izany iray volana izany. Anisan’ireny ny fampiantranoana olona maherin’ny 100 avy any amin’ny Faritra. Fa anisan’ny ezaka lehibe ao anatin’izao Ramadany izao ihany koa ny fampisakafoana isan-kariva, manomboka amin’ny 6 ora hariva,  olona manodidina ny 800 isa. Tsy manavaka na saranga, na foko, na atokom-pinoana izy ireo amin’izany fa afaka misakafo eny an-toerana,  eny Antaniavao izay misy ny foiben-toeran’ny Inisma avokoa izay olona liana amin’izany. Vary sy loaka izay miovoava isan’andro no atolotry ny fikambanana mandritra ny fotoanan’ny Ramadany.  Ny tanjona dia ny fitovian’ny mpanompo Ramadany  rehetra, hoy ny tompon’andraikitra.

Nanamarika ry zareo ao amin’ny Inisma fa ahazoana  tombontsoa ara-panahy sy ara-batana ny fanaovana Ramadany.  Ankoatra  ny fifadian-kanina dia tokony hisy ihany koa ny fifehezan-tena.  Marihina fa ny  INISMA dia niorina tany Morondava  ny taona 1982. Amin’izao fotoana dia manodidina ny  12.000 ny isan’ny mpikambana ao  aminy manerana ny Nosy. Eo amin’ny 40 eo ho eo kosa no isan’ny foiben-toerana iasan’ny Inisma eto Madagasikara, toy ny any Nosy-be,  Mahajanga, Morondava, Antsiranana, Ambilobe, Ambanja, Maintirano, Soalala, Manakara….“Ry Mpino ! voasoratra sy voadidy ho anareo ny fifehezana  tahaka ny nandidiana izany tamin’ireo vahoaka tany alohanareo ho vontom-pinoana”, Cour’an 2.183. Io teny nalaina tao amin’ny Korano masina io no hevi-dehibe ifotoran'ireo  mpino Silamo eny amin’ny INISMA, mandritra izao fankalazana ny vanim-potoanan’ny Ramadany izao.  

Nanouh

 

Ireo tompon'andraikitra ao amin'ny INISMA; '(Sary : Nanouh)

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site