NAPETRAKA NY LAMIN’ASA VAOVAON’IREO BEMOTO

Notanterahana nandritra ny roa andro, ny Alaarobia 27 sy Alakamy 28 Jolay teo teny amin’ny efitrano fivoriana teny amin’ny Toby Ratsimandrava ny dinik’asa mahakasika ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana an-dalambe sy amin’ny lalam-pirenena. Niompana tanteraka  tamin”ny  fandrindrana ny asan’ny zandary avy amin’ny Tobim-paritra misahana ny fifamoivoizana an’arabe (Brigade de Police de la Route na  BPR), izay fantatra amin’ny hoe BEMOTO izany dinikasa izany.

Anisan’ny voadinika tamin’izany ny fomba fiasa sy ny rindran-damina ary ny fitantanana vaovao hifehy ny asan’ny zandary Be Moto sy ireo mpifehy isan-tsokajiny. Niainga avy tamin’ ireo mpanatanteraka ny sosokevitra ary nanitsy sy namaha izany ireo Tale sy ny  Lehiben’ny Sampan’asa eo anivon’ny  foibe fibaikona ny zandarimariam-pirenena.Mrihina fa anisan’ny nandray anjara tamin’io dinikasa io ireo Tale eo anivon’ny Fibaikoana ny Zandarimariam-Pirenena, niaraka tamin’ny .Lehiben’ny fandrindrana sy fanaraha-maso. sy ireo Manamboninahitra mpandrindra ny fifamoivoizana an’arabe isaky ny Faritany ary.ireo Komandin’ny Tobim-paritra (B.P.R) miisa 18 manerana ny Nosy.  Nitondra ny fahitany ny zava-misy ankehitriny sy nametraka ireo torolalana sy toromarika hanatsarana bebe kokoa hatrany ny fifamoivoizana an’arabe sy hiarovana ireo mpampiasa ny lalana amin’ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana ihany koa  ny Jeneraly Razafindrakoto Jean Bruno Wilfrid, Komandin’ny Zandarimariam-pirenena.

Nanouh

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site