Nankalaza ny fetin’ny taranaka

Toy ny fanaony isan-taona, nanomboka ny taona 2000, dia nankalaza ny fetin’ny taranaka ny mpino sy ny kristianina rehetra ao amin’ny EKAR Notre Dame du Sacré Coeur Ambavahadimitafo ny Alahady 24 Jolay teo. Nitarika ny fanompoam-pivavahana sy nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany ny Pretra Rabemanontany Albert,, izay Pretra mitantana ity Paroasy ity.Ny fetin’ny taranaka toy izao dia andro iray natokanana indrindra ahatsiraovana sy amondronana indray ireo taranaka sy zanaky  ny Fiangonana izay miely any amin’ny toerana hafa rehetra any.

Tamin’io andro io ihany koa no  nanaovana ezaka valopy, hoentina hanatsarana ny Fiangonana izay efa antitra ka mila fikarakarana sy fanohanana manokana. Marihina fa ny Fiangonana Notre Dame du Sacré Cœur Ambavahadimitafo dia anisan’ny Fiangonana Katolika niorina fahatelo teto Madagasikara, taorian’ny Katedraly Immaculée Conception Andohalo sy ny EKAR Ambohimitsimbina.

Tsara ny manamarika ny FZNA na ny Fikambanan’ny Zanak’i Notre Dame Ambavahadimitafo no tompo-marika sy vy nahitana izany fetin’ny taranaka izany 11 taona lasa izay. . Ny taona 1998 no niorina ny fikambanana FZNA. Maro ny ezaka efa vitany hoentina hanohanana sy hanatsarana ny Fiangonana. Amin’izao fotoana dia Rabary Hyacinthe no filoha mitantana izany fikambanana izany. 

Mbola asiantsika resaka ny mikasika ny Fikambanana FZNA aoriana kely.

Nanouh  

1 vote. Moyenne 5.00 sur 5.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site