Mijaly noho ny afitsoky ny CT sy CST

Tsy afaka miasa an-kalalahana intsony ny mpikirakira ny vaovao ankehitriny. Ireo olona, tsy voafidim-bahoaka indray mantsy no manampatra ny fahefany ary mampikolay na ny vava na ny fihetsika asehony.

Niharan'ny hersisetra môraly mihitsy ny mpiara-miasa ao amin'ny fahitalavitra nasionaly tamin'ny alakamisy 5 aogositra lasa teo raha handeha ho any Mahajanga. Sendra nahita fiara saika latsaka tany anaty hantsana ireto mpiara-miasa ireto ka niolomay hanadihady ary hanao ny asa mahazatra. Akory anefa ny hagagany fa tsy nampoiziny ny zava-nitranga. Tsy nisy alaharo fa ilay ramatoa izay voalaza fa nitondra ny fiara no avy naka ilay horonan-tsara ary namitsaka azy, satria hono izy manam-pahefana ka tsy azo atao ny maka sary azy.

Nifamaly teo ny roa tonta. Tsy nanaiky lembenana ny mpanao gazety satria horonana mbola hampiasaina any Mahajanga iny nalaina an-keriny iny. Ramatoa kosa etsy an-daniny nampiaka-peo ary nibontsina nanampatra ny fahefana amin'ny maha-CT azy amin'iny faritra Betsiboka iny. Mampieritreritra ihany mantsy ny zava-nitranga satria nivilavila tany amin'ny lalana tsy izy ny fiara nentin'ilay mpikamban'ny CT ary saika nidiran-doza ny tenany. Hay moa izany ka manafintohana ireny olom-boatendry ireny raha misy tsy nety nataony ka tantaraina ho fantatry ny olon-drehetra. Matahotra ho afa-baraka angamba kanefa maimay ery maka mpanao gazety rehefa misy "asa soa kely" tanterahina etsy sy eroa mba hahazoana sitraka amin'ilay olona nametraka azy teo amin'io seza io.

Nangonin'i Farah

1 vote. Moyenne 5.00 sur 5.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site