MANKALAZA NY FAHA HERINTAONA NIJOROANY

Izay tia mahafoy’, io no teny filamatry ny fikambanana TFA na Tanoran’ny Faritra Ankazotokana, izay mivondrona  eny anivon’ny Katedraly Katolika Andohalo.

Niforona ny 08 Aogositra 2010 ity fikambanana  tanora ity, izay tarihan’ny Filohany , Andrianjakamandimby Laza. Ireo tanora mipetraka eny amin’ny Faritra Ankazotokana  no mandrafitra  izany fikambanana izany.  Amin’ny ankapobeny dia ny hanatanteraka ny asam-panompoana sy fanampiana ny fiangonana  no tena imasoan’ireto tanoran’ny TFA ireto.  Tafiditra ao anatin’izany ny fameloma-maso sy fandraisana an-tanana ny andraikitr’ireo tompon’andraikitra  nisahana ny APV na Ankohnam-Piangonana Velona teo aloha,  izay eny anivon’ny Faritra. Eo ihany koa ny fanadiovana ny trano Fiangonana….

 Samy  mitondra ny anjara birikiny  sy izay mendrika  indrindra ao aminy avy ny mpikambana tsirairay na ara-pitaovana izany na ara-kevitra. Izany no natao dia  mba hanatsarana sy hanampiana ny fiangonana. Anisan’ny andraikitra sahanin’ny TFA ihany koa ny fanampiana  sy ny fanomezan-tanana  ny samy mpikambana.

Maro ny  ezaka efa vitan’ny fikambanana TFA nandritra izay herintaona nijoroany izay. Ankoatra  ny lesona momba ny fiainana sy ny finoana ary ny fampianarana ny hira ara-pilazantsara  izay efa fanao  mahazatra ny fikambanana dia nisy, ihany koa, ny ezaka lehibe izay efa vitan’izy ireo tao anatin’izay taona voalohany nijoroany izay. Anisan’ireny ny fanolorana fampianarana maimaimpona mikasika ny fanaovana mofomamy ho an’ny mpikambana ary koa ny fampianarana mamily fiarakodia. Izany rehetra izany no natao dia mba hampivelatra ireo tanora mpikambana tsirairay.  Mbola maro ireo vinavina izay heverin’ny fikambanana hatao mikasika izany.

Fa hanamarihana ny tsingerin-taona voalohany niforonan’ny TFA dia hisy ny Sorona Masina lehibe izay hotanterahana ny Alahady 14 Aogositra izao eny amin’ny Katedraly Andohalo, manomboka amin’ny 7 ora maraina. Izany fanompoam-pivavahana izany dia ho tarihan’ny  Ray am-panahy Razanadrakoto.  Manentana ireo mpino sy ireo kristianina rehetra mba ho tonga maro amin’io fotoan-dehibe io fa sady hery no fanohanana ireto tanora ao amin’ny TFA ireto izany.

Hisy, ihany koa valan-dresaka arahana adihevitra sy fifaninanan-kira ara-pilazantsara  izay hifaninanan’ireo tanora avy eny anivon’ny Faritra tsirairay ao amin’ny Fiangonana, hoentina hanamarihana io tsingerin-taona voalohan’ny TFA io.

Nanouh

 

kkk

Ireo tanora mpikambana ao amin'ny TFA Katedraly Andohalo

(Sary : TFA)

1 vote. Moyenne 5.00 sur 5.

Commentaires (11)

1. RAKOTOMALALA Felana 10/08/2011

Mafinaritra be le article, misaotra an'i Nanouh

2. NyAina 10/08/2011

Mahafinaritra kosa izany fikambanana izany! Tsara alain-tahaka ho an'ny tanora eny anivon'ny fiangonana samihafa sy eo anivon'ny fiarahamonina.

3. air-manitra 10/08/2011

Misaotra bcp ho anao tomponandraikitra ato@ site. Milay b rzal fa tohizo foana ary ho fitaratra hatrany @ zay hatao. sur

4. tsikaiany 10/08/2011

tsara fa aza misy miàla an, d mahafoiza be d be

5. Laza A. 10/08/2011

Mahafinaritra , misaotra ny tompon'andraikitra, tsara fa tohizo. Manentana ny tanora hatrany handray andraikitra eo anivon'ny fiangonana, dieny mbola tanora.

6. Laza A. 10/08/2011

Mahafinaritra , misaotra ny tompon'andraikitra, tsara fa tohizo. Manentana ny tanora hatrany handray andraikitra eo anivon'ny fiangonana, dieny mbola tanora.

7. Rija Rakoto 10/08/2011

tsara de makasitraka ny site,milay be ee

8. air manitra 11/08/2011

d manasa ny tanora retra mba hiara hiombom-bavaka @ alahady, sotrô

9. Ihanja RASOAMANANA 11/08/2011

Misaotra an'le mpanoratra dia misaotra ny mpikambana rehetra mahafoy ho an'ny fiangonana sy ho an'ny fikambanana. Misaotra e!!

10. Bruno R. 12/08/2011

Mahafinaritra dia atontsika tsara ny fety e

11. air manitra 13/08/2011

Mirary soa antsika rehetra mpikambana ary tena hahafoy am-pitiavana amin'izay rehetra hatao na any am-piangonana na eny amin'ny fiaraha-monina.bon wik

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site