MANAMBONINAHITRA 32 NAHAVITA NY FIOFANANA MIKASIKA NY FITANDROANA NY FANDRIAMPAHALEMANA NO NAVOAKA TAMINNY FOMBA OFISIALY

 

Manamboninahitra 32  mirahalahy, izay avy ao amin’ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenana, andiany voalohany,  izay nahavita  ny fiofanana mikasika ny fitandroana ny fandriampahalemana nandritra  ny telo herinandro no navoaka tamin’ny fomba ofisialy androany Zoma 23 Septambra. Teny amin’ny toby Kolonely Rakotonirainy Alphonse, izay misy ny sekoly fitantanana ny Etamazaoro eny Fiadanana no nanatanterahana izany lanonana  ara-miaramila izany.

Ity fiofanana ity dia vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Sekoly Fitantanana ny Etamazaoro eto Madagasikara sy ny Sekoly Miaramila momba ny Fitandroana ny Fandriampahalemana any Bamako Mali.

Ny tanjona dia ny ahaizan’ireo manamboninahitra Malagasy mifehy tsara ny andraikitra rehetra mahakasika ny fitandroana ny fandriampahalemana. Marihina fa  mpampianatra manamboninahitra telo mirahalahy izay nahitana ny Capitaine de Vaisseau Kane avy any Senegal sy ny Colonel Coulibaly ary ny Commandant Sangare samy avy any Mali no nanatanteraka izany fampiofanana izany.

Tonga nanome voninahitra ity lanonana ara-miaramila ity teny Fiadanana sady nisolotena ny Ministry ny Foloalindahy ny Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Foloalindahy; ny Jeneraly Andriamaharo Claris. Nanotrona azy tamin’izany fotoana izany kosa ny Jeneraly  Ndriarijaona André, lehiben’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika Malagasy sy ny Jeneraly Razafindrakoto Bruno Wilfrid, Komandin’ny ZandarImariam-pirenena.

Nanouh

ireo manamboninahitra nanaraka ny fiofanana mikasika ny fitandroana ny fandriampahalemana : sary S.I.C.A


Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Commentaires (1)

1. betonmma (site web) 22/08/2012

vohizo.e -monsite.com est mon numéro 1 site maintenant

http://mmaresurrect.wordans.com/t-shirt/rdjmma-fight-team-jiu-jitsu-rdjmma-signature-137202#add_comment

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site