LELAVOLA 4 TAPITRISA ARIARY MIAMPY FITAOVANA NO NATOLOTRY NY MINISTRY NY FOLOALINDAHY

“Serviettes” sy sakaosy fitondrana fitaovana ho an’ireo mpilalao sy ny delegasiona  miisa 34, niampy lelavola 4 tapitrisa ariary no natolotry ny Ministry ny Foloalindahy sady mpiahy manokana ny ekipa nasionaly amin’ny taranja volley-ball, ny Jeneraly Rakotoarimasy André Lucien. Teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina no nanatanterahana izany ny Zoma 29 Jolay teo.  

Hiatrehana ny lalaon’ny nosy izay atao atsy amin’ny nosy Seychelles ny 05 hatramin’ny 14 aogositra  2011 ho avy izao izany fitaovana izany. Izao hetsika izao dia tafiditra ihany koa amin’ny fanomanana ireo ekipa lahy sy vavy hisolo tena ny firenena malagasy eo amin’ny taranja volley bal any Seychelles. Marihina fa hatramin’izay dia efa mitontaly 13.400.000 ariary ny vola fanampiana nentin’ny Ministeran’ny foloalindahy hanohanana izany ekipa izany.

Nisy ny hafatra fohy nataon’ny minisitra taorian’ny fotoana, tamin’izany no nanantitraterany ny tokony hananan’ireo mpilalao fitondrantena mendrika sy vokatra tsara mandritra ny lalaon’ny nosy.Naneho fisaorana sy fankasitrahana tamin’izao fanampiana sy fanohanana nataon’ny minisitra mpiahy izao kosa ny filoha lefitry ny federasioninan’ny taranja volley sy ny kapitenin’ ny ekipa.

Nanouh 

 

Fitoavana vaovao ho an'ny mpilalao Volley-ball malagasy. (Sary : ZP)

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×