MANAMBONINAHITRA LEFITRA 14 NO NAHAVITA FIOFANANA NANDRITRA NY ENIM- BOLANA

 

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ary notolorana ny ny diplaoman’ny « Ingénierie de sécurité des systèmes et réseaux de communication » ny  Zoma 23 Martsa lasa teo, teny amin’ny Cercle Mess Soanierana, ny andiany voalohany  izay ahitana Zandary sy Tafika izay nisalotra ny anarana “I-HALT” na 1-“Informatics Hackers for All Technology “.

Niofana manokana momba ny “Ingénierie de sécurité des systèmes et réseaux de communication”. ireto manamboninahitra lefitra miisa 14 mirahalahy ireto.  Anisan’ny nianarana tamin’izany ny « conception et développement  de la solution informatique » sy ny « systèmes et réseaux de communication » ary ny « sécurité des systèmes et réseaux des communications »

Nisy ihany koa famelabelaran-kevitra mikasika ny « souveraineté numérique à Madagascar », izay novelabelarin’ny Ministry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Andriamanjato Ny Hasina.

Marihina fa enim-bolana no naharetan’ny fiofanana ka ny « Office des Transmissions Militaires de l’Etat » na OTME no tompo-marika tamin’izany.

Tonga nanome  izany lanonana izany teny an-toerana ny Ministry ny Foloalindahy, ny Jly Rakotoarimasy André Lucien, notronin’ny olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila.

Nanouh

 

dsc-0167.jpg

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire
 

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×