EFA -BOLANA NO NAHARETAN’NY FIOFANANA

Navoaka tamin’ny fomba oisialy ny 21 Desambra teo, teny amin’ny Cercle mess, Fort Duchesne, ny andiany  voalohany nisalotra ny anarana hoe “Fanjiry” midika hoe “fitarikandro”, izay nahitana ireo zandary niofana manokana ho mpanefy vy ny kitron-tsoavaly sy mpametaka kitron-tsoavaly na “Spécialiste Maréchalerie”.

Fantatra fa mpiana-draharaha, notsongaina tamin’ireo zandary  marobe manerana ny Nosy ary hisolo toerana ireo zandary tompon’andrakitra amin’izao fotoana, andeha hisotro ireto vao nahavita ny fiofanana ireto.

Teo amn’ny efa-bolana no naharetan’ny fiofanana nataon’izy ireo, izay niompana tanteraka tamin’ny fampianarana mahakasika ny soavaly sy ny manodidina izany, toy ny infirmerie, ny veterinaire, ny cellerie, ny équitation, ny ippologie ary ny marechalerie.

Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany ny Jeneraly Maruis Noel Kaderbhay, lefitra faharoan’ny komandin’ny zandarimariam-pirenena  nisolotena ny komandin’ny zandarimaria, ny jeneraly Zafera Viennot Christian, komandin’ny FIGN ary ireo manamboninahitra ambony, manamboninahitra, sy manamboninahitra lefitra notron’ireo olo-manankaja maro sivily sy miaramila

Nanouh Indyah 

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×