HERINANDRON’NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, izay notanterahana teny amin’ny lasapely miaramila, Ampahibe, no nentina nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro natokana ho an’ny Zandarimariam-pirenena ny 03 Oktobra teo. Eny amin’ny tranombokim-pirenena Anosy no hanatanterahana ity hetsika andiany faharoa ity, izay haharitra hatramin’ny 09 Oktobra ho avy izao.

 Tranoheva maro, maneho ny tantaran’ny zandarimaria sy ny sampan-draharaha misy ao aminy no hita eny amin’ny tranombokim-pirenena. Nisy ny fampisehoana nataon’ny GSIS sy ny Sai-Olafy mpibaiko alika nandritra ny fotoam-panokafana. Marihina fa nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 03 Oktobra io ihany koa ny tranokalam-pifandraisan’ny Zandarimaria www.gendarmerie.gov.mg

semaine-gendarme.jpg

 

Tonga nanome voninahitra ity lanonam-panokafana ity teny an-toerana ireo manam-boninahitra Jeneraly am-perinasa sy efa misotro ronono,  ireo manamboninahitra ambony maro avy eo anivon’ny tafika sy ny zandarimaria ary ny avy ao amin’ny polisim-pirenena notronin’ireo  sivily manan-kaja maro Ny Jeneraly Randrianazary Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena no nanokatra ny varavarana misokatra tamin’ny fomba ofisialy .

Nanouh

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site