COQUE DE CACAO SY TOURTEAU DE RICIN NO TOLOTRA VAOVAO

Iray tamin'ireo orinasa nandray anjara tamin’ny FIM ny « Guanomad » izay fantatry ny maro amin’ny famokarana zezika biolojika. Nandritra ny Foarabe Iraisam-pirenena teny Andranomena no nampahafantarin’izy ireo ny vokatra vaovao izay vao novokarin’ity orinasa ity. Anisan’ireny ny antsoina hoe « coque de cacao . izay natokana indrindra ho an’ny voninkazo.

Karazana lafika, izany hoe apetraka fotsiny eo amin’ny tany anirian’ny voninkazo ny « coque de cacao ». Mitahiry hamandoana izy io ary miaro amin’ny fitsirian’ny ahi-dratsy. Nandritra iny hetsika iny ihany koa no hampahafantarana ny « tourteau de ricin », izay natokana ho an’ny zaridaina indray kosa. Zezika tsara ary miantoka ny fitomboan’ny voankazo sy ny legioma ny « tourteau de ricin ». Marihina fa zezika biolojika avokoa no avoakan’ny orinasa « Guanomad » ary manara-penitra ihany koa satria efa manana ny fanamarinana “ECOCERT”. Ireo tolotra vaovao ireo dia hivaoka ary azon’ny mpanjifa vidiana afaka volana vitsy monja.

Nanouh

 

Ny « coque de cacao » sy ny « tourteau de ricin » tohan'aina ho an'ny voninkazo sy ny voankazo ary ny legioma.

(Sary : Nanouh)

 

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site