Ar 8 lavitrisa ny trosa amin’ny JIRAMA

Misedra olana ankehitriny ny eny amin’ny anjerimanontolo eto an-drenivohitra sy ny eny amin’ny Ecole Normale Supérieure Ampefiloha. Mitakizina ny rehetra. Tsy mandeha ny jiro ! Mijaly ireo mpianatra sy mpampianatra mampiasa ny laboratoara sy ireo karazna efitra lehibe noho ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lafiny erinaritra ka tsy mampadeha ny fanamafisam-peo. Telo herinandro sisa dia hipaika ny fanadinana bakalorea ka misahotaka ihany ny amin’ny Oniversiten’Antananarivo amin’ny fanomanana sy fandrindrana. Saingy tsy fantatra kosa raha voakasik’izany ny tranon’ny mpianatra eny Ankatso.Efa miakatra hatrany amin’ny Ar 2 lavitrisa ny trosan’ny Oniversiten’Antananarivo tsy voaloany amin’ny JIRAMA. Mahatratra hatrany amin’ny Ar 8 lavitrisa kosa raha ny an’ny oniversité 6. Vola efa hatramin’ny taona 2002 io tsy voaloa  io.

Farah

1 vote. Moyenne 5.00 sur 5.

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site