89,81 % ny FRE voaangona ao Vakinakaratra

Mirimorimo fatratra ny faritr’i Vakinankaratra amin’ny fanomanana ny fifidianana. Voaangona sahady ny 89,81 %n’ny takelaka fanisana ny mpifidy na ilay antsoina hoe « Fiche de Renseignement des Electeurs » (FRE) manerana ny kaominina miisa 91. Tafaverina tanteraka ny 365753 FRE amin’ny 407264 FRE. Nanantitrantitra ny lehiben’ny faritra, Razanakolona Paul fa vita alohan’ny 31 jolay ho avy izao ny lisi-pfidianana. 

Na dia eo aza ny fahasoratana amin’ny fanatanterahana ny asa noho ny tsy fahampian’ny fitaovana dia nahazo vahaolana sahady ny faritra. Novatsian’ny ministeran’ ny fanajaraiana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana « groupe électrogène » ny distrikan’i Mandoto ary mbola nanolotra « imprimantes » ihany koa ity ministera ity ho fanafainganana ny famitana ny lisi-pifidianana.Nampirisika ny ministra Andrianainarivelo Hajo mba hangarahara ny fampiasam-bola hahafantarana ny zavatra ampy sy tsy ampy ary hanamorana ny fijerena vahaolana.

Ankoatra izay, manomboka amin’ny faran’ity volana ity dia apetraka ny « guichet unique » hanamboarana karapanondrom-pirenena. Vita eo no ho eo ny karatra aryt maimaimpoana avokoa ny sarany.

Farah

 

Ireo takelaka fanisana ny mpifidy (Sary : MATD)

Aucune note. Soyez le premier à attribuer une note !

Ajouter un commentaire

Vous utilisez un logiciel de type AdBlock, qui bloque le service de captchas publicitaires utilisé sur ce site. Pour pouvoir envoyer votre message, désactivez Adblock.

Créer un site gratuit avec e-monsite - Signaler un contenu illicite sur ce site

×